Archives quotidiennes: 20 janvier 2019

Fiarahamonim-pirenena AVG : nohavaozina ny mpikambana

0
Nahitana olom-baovao ny mpikambana eo amin'ny Fiarahamonim-pirenena Alliance Voary Gasy izay nanatanteraka fifidianana tamin'ity androany ity. Ankoatra izay, miantso ny fandraisan'andraikitry ny rehetra ny Fiarahamonim-pirenena AVG ami'ny fiarovana ny harem-pirenena.

Filohampirenena Malagasy  : tontosa androany ny fifamindram-pahefana

0
Andro manan-tantara ho an’i Madagasikara. Androany 18 Janoary 2019, tontosa tao anatin’ny filaminana ny fifamindram-pahefana voalohany tamin'ny Filoham-pirenena 2 lanim-bahoaka. Ny filohampirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filohampirenena vaovao Andry Rajoelina. Araho an-tsary ary ny famintinana izany.

Lanonam-pianianana : misy Filohampirenena miisa 6 ireo vahiny manan-kaja hanatrika izany

0
Filohampirenena miisa 6 ireo vahiny manan-kaja maherin’ny 30 hanatrika ny fiaianan’ny filohampirenena vaovao Rajoelina Andry rahampitso etsy amin’ny kianjaben’I Mahamasina, araka ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny mpikarakara. Voninahitra lehibe ho an’ny firenena Malagasy ny sy vahoaka Malagasy tsy vakivolo izany.

Jour J-1 fianianan’ny filoha vaovao : nisy ny famerenana matso nataon’ireo mpitandro ny filaminana

0
Samy misomebiseby ao anatin'ny fanomanana ny fandraisana ny fianianan'ny filohampirenena vaovao avokoa ireo tomponandraikitra voakasika rehetra tamin'ity andro androany ity. Isan'izany ireo mpitandro ny filaminana izay nanao famerenana matso ho amin'ny rahampitso.