Archives quotidiennes: 23 janvier 2019

Andro ratsy : nandravarava ny « bord de la mer » Mahajanga

0
Namela takaitra ara-materialy eny amin'ny bord de la mer any Mahajanga ny andro ratsy izay mandalo any amin'ny morontsirak'i Madagasikara ankehitriny. Manao antso avo amin'ny fanarenana ny simba ny vahoaka any an-toerana.

Fiatoan’ny fampianarana : DREN 5 no voakasik’izany hatreto

0
DREN miisa 5 no voakasiky ny fiaton’ny fampianarana vokatry ny oram-be mikija. Izay raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ny faritra Diana no isany voa mafy amin’izany raha ny fanadihadiana natao.

Fanondranana entana: ambany ny taha ny taona 2018

0
Sarotra amin’ny mpisehatra sy mpandrahara Malagasy no manondrana entana any ivelany eto amintsika. Saika olana ara-taratasy sy lalam-barotra rah any fanadihadiana no sakana. Rah any tarehimarika manoloana io, ambany ny tahan’ny fanondranana entana ny taona 2018 teo.

Fitrandrahana Fasimainty : maty avokoa ny trondro fiveloman’ny mponina

0
Nahitana trondro maty maromaro tao amin'ny Reniranon'Ambavarano ao amin'ny Fokontany Andrakaraka Taolagnaro. Nahitana fasimainty marobe ihany koa. Vao voalohany no nahitana tranga tahaka izao hoy ny solombavambahoaka avy any an-toerana izay manahy mafy ny fahasalaman'ny mponina miaina sy mivelona amin'ny rano.