Archives quotidiennes: 4 janvier 2019

Préfet de Police : tsy marina ny filazana fa ny minisitry ny fiarovana no nanome alàlana ny hetsika

0
Tsy marina akory ny filazana fa nanome alalàna ireo mpanao fihetsiketsehana eny amin'ny kianjan'ny 13 Mai ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Fomba fiady ho entina mamerivery ny saim-bahoaka fotsiny ihany izany. Ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta sy ny OMC na ny Organe Mixte de Conception ihany no manana fahefana amin'izany araka ny lalàmpanorenana Malagasy.

Hetsika eny amin’ny Parvis Analakely : manelingelina ny fiainana andavanandron’ny maro

0
Faty antoka ho an'ny mpivarotra, fitaintainana sy fanelingelenana ho an'ny olontsotra. Izay no vokatry ny hetsika tarihin'ireo mpiara-dia amin'ny kandidà Ravalomanana eny amin'ny Parvis Analakely, raha ny fanehon-kevitr'ireo olompirenena teny an-toerana androany.

Firongatry ny fanorenena tsy ara-dàlana : tsy manome fanazavana ny kaominana

0
Mbola tsy nahitana fandraisana andraikitra ny mikasika ireo fanorenena tsy ara-dalàna notaterina teto amin’ny fampahalalam-baovao. Tsy mahatapaka ahitra amin’ny fandraisana fepetra eny ifotony ny boriborintany raha ny fanazavana. Fandroahana ankilany no nasetrin’ny teo anivon’ny kaominina ny mpanao gazety.

Tsenan’ny Mahamasina : tsy mandeha ny varotra

0
Nangina tsy toy ny mahazatra ny tsena teny Mahamasina androany. Noho ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena sy ny tsy fahampian'ny fahefa-mividin'ny olona no anton'izany, raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana. Fanadihadiana : Fitahiantsoa Miora