Archives quotidiennes: 8 janvier 2019

CENI : nanamafy ny fangaraharana tamin’ny fifidianana filohampirenena

0
Nanamafy ny teo anivon'ny CENI nandritra ny valandresaka hoan'ny mpanao gazety androany fa nangarahara ny fifidianana filohampirenena. Nambaran’izy ireo fa fandotona ankitsirano ny fanelezana tsaho mahakasika ny hala-bato sy ny mety ho fisian'ny hosoka.

Voka-pifidianana havoakan’ny HCC : tsy hitanila, ary tsy handairana tsindry

0
Tsy hitanila ary tsy handairana tsindry ny fitsarana avo momban’ny lalampanorenena eo am-pikirakirana ireo voka-pifidianana. Vokatra izay mandalo fampitahana maro mialohan’ny hamoahana izany amin’ny fomba ofisialy raha ny fanambarana navoakan’izy ireo tamin’ity androany ity.

Hetsika teny Analakely : tsy nahasarika olona

0
Olom-bitsy no namaly ny antson'ireo mpitarika ny fihetsiketsehana avy amin'ny kandidà Ravalomanana Marc teny analakely tamin'ity androany ity. Afaka nanohy ny fianana andavanandrony ny rehetra. Fanadihadiana

Fanekena ny voka-pifidianana ofisialy : tsy namaly mazava ny kandida laharana faha-25

0
Saika niompana tamin’ny resaka fifidianana filohampirenena notontosaina farany teo sy ny mikasika ny fitondrana manaraka eo avokoa ny fanehoan-kevitr’ireo nanatrika ny fifampiarahabana ny fahatratrarana ny taona vaovao teny Iavoloha androany. Tsy namaly mazava ankilany ny kandida Marc Ravalomanana rehefa nanontanian’ny mpanao gazety raha toa ka hanaiky tahaky ny nambarany tamin’ny voalohany, ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC.

Miss Jeunesse Madagascar : niala sasatra teny Vontovorona.

0
Naharitra 3 andro ny fialantsasatra natolotry ny KOLO TV sy ny sy ny Groupe JCR ireo nahazo samboady tamin'ny fifaninanana Miss Jeunesse Antananarivo. Nanotrona azy ireo tamin'izany i Daniella Razafimahaleo miss jeunesse madagascar. Fotona iray nialana sasatra sady nifankahafantarana bebe kokoa ho an' ireo ankizy.