Archives quotidiennes: 11 janvier 2019

Zotra D – Ivato : tsy handefitra amin’ny fihodinana an-dalana ny ATT

0
Mampitaraina ny mponin’Ivato ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra sy ny fihodinana an-dalana ataon’ny Zotra D. Isany miray tendro amin’ny mpitaitra amin’izay kolikoly izay ny mpitandro ny filaminana raha ny fitarainana. Iharan’ny lalàna ary mahavoasazy izan,y hoy ny tale jeneralin’ny ATT androany.

Fandresen’ny Filohampirenena Andry Rajoelina : niarahaba azy ny Mpanjaka Mohammed VI

0
Mitohy ny fiarahabana sy fankasitrahana ataon’ireo ankolafikery samihafa, tamin’ny fanantontosana am-pilaminana ny fifidianana Filohampirenena teo iny sy ny fandresen’ny Filoha Andry Rajoelina . Isan’ny niarahaba ny fandreseny ny Mpanjakan’i Maroc Mohammed VI sy ny COI na ny Commission de l’océan Indien.

Tany mandala ny demokrasia : faha-16 aty Afrika i Madagasikara

0
Eo amin'ny laharana faha 16 amin'ireo firenena 50 mandala ny demokrasia aty Afrika i Madagasikara. Ilaina ny fametrahana ny demokrasia tanteraka indrindra fa eo amin'ny lafin'ny fifidianana. Ny fanabeazana ny olompirenena hahalala ny tena demokrasia no hahafantsika miakatra ambonimbony kokoa amin'io laharana io, raha ny fanazavan’ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena iray nanaovana fanadihadiana.  

Filoha RAJOELINA Andry : tonga dia asa amin’izay

0
Vita iny ny fifidianana. Lany hitondra ny firenena Malagasy mandritra ny 5 taona manaraka i RAJOELINA Andry taorian’ny nandanian’ny mpifidy Malagasy azy tamin’ny 55,66%n’ireo vato nanankery. Ny asa amin’izay no hirosoana ho amin’ny fanatontosana ireo vina sy velirano nifanaovana tamin’ny vahoaka Malagasy. Fanadihadiana : RAHARISON Andry