dimanche 19 mai 2024
Accueil 2019 février

Archives mensuelles: février 2019

Edito du 17 février 2019

0
Maro ny amehana fa mazava ny filamitry ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry. Maika ny fampandrosoana an’i Madagasikara hialana amin’izao fahantrana mianjady amin’ny Malagasy izao. Mahakasika lafin-javatra samihafa izany filamatra izany ary efa nampahafantarany mialoha tamin’ny vinany ny hanatanterahana izany. Midika mazava izany fa maika ny asa.

Fahatapahan-jiro : manerana an’Antananarivo ary maharitra ora maro

0
Manerana an' Antananarivo ny fahatapahan-jiro izay maharitra ora maro tato anatin'ny herinandro mahery izao. Tsy mifanaraka amin'ny filazana ataon'ny eo anivon'ny Jirama ny faharetan'ny fahatapahan-jiro iainan'ny isan-tokantrano.

Antoko Malagasy Miara-Miainga : nanatanteraka fambolen-kazo teny Manandriana Avaradrano

0
Ho fiaraha-mientana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana hiadiana amin'ny fiovaovan'ny toetry ny andro. Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin'ny kaominina Manandriana ny Anotko Malagasy Miara-Miainga. Voasolon-tena tamin'ity fotoana ity ihany koa ireo mpikambana eo anivon'ny antoko manerana ny nosy.

Fampianarana ambaratonga ambony: notsidihin’ny minisitra ny oniversite tany Soavinandriana

0
Tsy misy mahasamihafa ny diplaoma azo eny Ankatso sy ny oniversite eny Soavinandriana. Nanamafy izany omaly ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara tsiansa nandritry ny fivoahana voalohany notanterahiny.

Fidinan’ny vidim-piainana : laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka

0
Nandritran'ny fanadihadiana nataon'ny agence capsule izay niarahana tamin'ny kolo tv ny faha 05 sy 07 Febroary lasa teo dia hita tamin'ny fanadihadiana fa laharam-pahamehana amin’ny vahoaka Malagasy ny fikarakarana ny fidinan'ny vidim-piainana. Tokony atsarain’ny mpitondra farak’izay haingana io sehatra io, hoy ny Mpahay teo-karena.

Fahatapahan-jiro : niverina indray

0
Niverina saika manerana an'Antananarivo indray tato ho ato ny fahatapahan-jiro izay maharitra ora maromaro raha toa ka adiny 2 ny faharetan'ny fehi-potoana nampahafantarin'ny JIRAMA foibe ahatapahan'izany ho an'ireo toerana rehetra voakasik'izany.

Voka-pifidianana SMM : mitarika vonjimaika ny kandidà Clément JAONA

0
Tontosa soa aman-tsara tamin'ity androany ity ny fifidianana izay ho filohan'ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara na SMM. Mitarika vonjimaika ny kandidà Clément Jaona.

Fampodiana Ambasadaoro : taratry ny fanatsarana ny fifandraisana ara-diplomatika

0
Mbola tsy fantatra mazava ny antony nampitsaharana ireo masoivoho an’i Madagasikara any ivelany tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, hoy ny teo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Taratry ny fahavononana hanatsara sy hanadio ny sehatry ny diplaomasia eto Madagasikara izany hoy ny manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena.

Serasera : manana ny lanjany ny onjam-peo eto Madagasikara

0
Manoloana ny firoborobon’ny teknolojia sy ny fitaovan-tserasera, mbola manana ny lanjany hatrany ny onjam-peo eto Madagasikara. Androany, nisy ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampizarana teo amin’ny talen’ny famoahana eto amin’ny Kolo-tv fm sy ny talen’ny famoahana eo anivon’ny radio nasionaly malagasy. Fifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara.

BIANCO : kolikoly tamin’ny fandaniana ny lalàna hifehy ny fifidianana – tsy tapitra fa mbola mitohy ny fanadihadiana

0
Tsy tapitra hatreo akory ny fanadihadiana ireo Solombavambahoaka voarohirohy ho nandray vola 50 tapitrisa Ariary tamin’ny nandaniana ny lalàna hifehy ny fifidianana tamin’ny volana aprily taona 2017 ireny raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny BIANCO fa mbola mitohy ary tsy maintsy hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ny raharaha.