samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 juillet 2019

Frantsa sy Madagasikara : hiamafy ny fiaraha-miasa

0
Niompana tamin'ny fanamafisam-piarahamiasan'i Frantsa sy Madagasikara ny kabarin'ny masoivoho frantsay androany, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay. Nambaran'ny minisitry ny raharaham-bahiny ankilany fa hotanterahana eto Antananarivo ny fihaonan'ireo komity iraisana voalohany, hiresahana ny momban'ireo Iles Eparses.

Filohan’ny repoblika sy ny vahoaka Malagasy : nisaotra ny « Barea de Madagascar »

0
Vahoaka maro no nitsena ny fahatongavan'i Barea de Madagascar omaly. Nitondra teny fisaorana sy fankasitrahana ho an'ity ekipampirenena ity ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara RAJOELINA Andry, nanamafy ihany koa izy fa hotazomina hanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy i Nicolas Dupuis, ary hisy ny fanatsarna ny kianjaben'i Mahamasina.

Lalaon’ny nosy 2019 : vonona ireo hisolo tena an’i Madagasikara

0
Vonona ireo mpilalao hisolo tena an'i Madagasikara amin'ny lalaon'ny nosy izay ho tanterahina ao amin'ny Nosy Maurice manomboka ny alaroibia izao. Hanatsara ny vokatra azo teo aloha, no fanamby hapetrak'ireo mpandray anjara tsy hampitsanga-menatra an'i Madagasikara.

« WAVE Madagascar » : ho tanterahina ny 17 hatramin’ny 20 Septambra ho avy izao

0
Ho tanterahina eto amintsika ny 17 hatramin'ny 20 Septambra ho avy izao ny andriany voalohany amin'ny WAVE Madagascar, fihaonam-be iraisam-pirenena ho an'ny fampiasam-bola eo amin'ny sehatry ny fizahantany sy ny fitaterana. Tanjona ny hahazoana mpizahatany hatrany amin'ny 5 hetsy ny taona 2023.