samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 12 juillet 2019

Maridrefin’ny kolikoly – 2017 : nitombo 27 % ny eto Madagasikara

0
Nitombo 27 % ny tahan’ny fahatsapan’ny olompirenena malagasy ny kolikoly raha ny fanadihadiana farany nataon’nyTransparency International ny taona 2017. Tsy hita mazava ankilany ny paikadin’ny fitondrana teo aloha hoy ny 83 % ny olompirenena. Takiany arak’izany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny hanatsarana ny toeran’i Madagasikara anatin’ny maridrefy manaraka.

Ady amin’ny kolikoly : ho fitaratra aty Afrika i Madagasikara

0
Ho fitaratra aty Afrika ato anatin'ny 5 taona ho avy i Madagasikara amin'ny ady amin'ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary ny famatsiam-bola amin'ny asa fampihorohoroana. Efa naneho ny fahavononany ary hanohy izany ny fitondram-panjakana hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana androany teny Anosy.

Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana : tsy miova, misy ny CEPE

0
Pejin'ny fanabeazana, nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany ny fihaonam-be natao hijerena ny Teti-pivoarana ho an'ny fanabeazana na ny PSE izay haharitra 3 andro. Tsy miova ny "Calendrier scolaire" ary voatazona ilay 9 taona nataontsika hatrizay. Na izany aza, nanamafy ny minisitra tomponandraikitra fa misy ny CEPE.

Fifidianana ben’ny tanàna : tokony hohamafisina ny fampitam-baovao

0
Teboka goavana mila harenina mandritra ny fifidianana manaraka ny fanomezana antontam-baovao feno ho an’ny mpifidy. Io no hisorohana ny fanodikodinana ny safidim-bahoaka hahazoana olom-boafidy eken’ny rehetra. Tomponandarikitra amin’izany ny tsirairay hoy ny Ivon-toerana mpanara-maso ny fifidianana iray.