samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 juillet 2019

Lalaon’ny Nosy : andraisan’i Madagasikara anjara avokoa ireo taranja 15

0
Andraisan'i Madagasikara anjara avokoa ireo taranja 15 hifaninanana amin'ny lalaon'ny nosy izay hotanterahana atsy amin'ny Nosy Maurice manomboka ny zoma izao. Vonona avokoa ireo atleta Malagasy indrindra taorian'ny fanohanana avy amin'ireo minisitera mpiahy.

Solombavambahoaka : haverina ny hasin’ny Antenimierampirenena

0
Manoloana ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta, nanamafy ireo Solombavambahoaka sendra ny mpanao gazety fa haverina amin'ny maha izy azy ny eny amin'ny Antenimierampirenena. Solombavambahoaka vonona hihaino sy hampita ny hetahetan'ny vahoaka hahafahana mampadroso an'i Madagasikara.

Lalana mampitohy an’i Antananarivo sy Toamasina : an-dalana ny drafi-panajariana

0
Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny seranatsambon’I Toamasina, mitohy ny famolavolana ny drafi-pampandrosoana sy drafi-panajariana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Notontosaina androany tetsy Anosy ny famaranana ny atrikasa andaniana ny volavolan-kevitra sy ny tondrozotra mikasika izany niarahana tamin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny asa vaventy ary ny toeram-ponenana.

Gants tanana : 190 000 Ar ny lafo indrindra

0
Voasokajy ho produits de luxe ny gants tanana amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Tafiakatra hatramin’ny 190 000 Ar ny lafo indrindra amin’izany. Ireo mpitondra kodiaran-droa amin’ny ankapobeny no tena manjifa ireo lafo .