samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 8 juillet 2019

Edito du 08-07-2019

0
Alefa BAREA no malaza ankehitriny. Sambany tokoa teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy no nisy fietanam-po iraisan’ny rehetra toy izao ny fanohanana ny ekipam-pirenena. Sambany ihany koa no nandraisan’ny ekipam-pirenena Malagasy anjara amin’ny « phase finale ny CAN » nefa vokatra tsara dia tsara sahady no efa azo. Alefa Madagasikara amin’ny raharaham-pirenena sy ny fampandrosoana ihany koa no tokony hifanotronan’ny rehetra toy izao Alefa Barea izao, dia ho sangany sy faka tahaka aty Afrika i Madagasikara ao anaty fotoana fohy.

Faritra Atsimo : mahavokatra ny tany

0
Na tsy ampy rano aza ny any amin'ny faritra Atsimo, azo atao ny mamboly legioma, araka ny andrana nataon'i Rakotobe Julien, 27 taona, monina ao amin'ny kaominina Nikoly, distrika Tsihombe. Maro amin'ny mponina any an-toerana anefa no tsy mahay ny teknika fambolena amin’ny tany kely rotsak'orana. Olana ihany koa raha ny fanazavana ny tsy fahampian'ny fitaovana. Ny mikasika izay no fanadihadiana entina aminao amin'ity manaraka ity.

Governemanta : ny tomban’ezaka no hitsarana azy, hoy ny Filoha

0
Taorian’ny namoahan’ny HCC ny vokatra ofisialin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany iny dia nanambara ny Filohan’ny Repoblika fa ny tomban’ezaka ihany no hitsarana ny asa vitan’ny governemanta.

Tsena Andravoahangy : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny kaominina sy ireo mpivarotra

0
Mihenjan- droa ny tady eo amin' ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ireo mpivarotra eny amin'ny tsena Andravoahangy. Androany, nifandrimbonan' ireo mpivarotra ny tomponandraikitra avy ao amin'ny kaominina izay tonga saika hanala ireo mpivarotra mba hitohizan'ny asa fanorenena atao ao anatin' io tsena io izay adikan' ireo mpivarotra ho fanaparam- pahefana.