samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 juillet 2019

Antoko TIM : mampametra-panontaniana ny rehetra

0
Mampametra-panontaniana ny rehetra ny fomba fihetsiky ny antoko TIM amin'ny alalan'ireo Solombavambahoaka, miisa 16 eny amin'ny Antenimierampirenena. Antony, zava-baovao tsy mbola nisy teto amin'izao tontolo izao ny hoe, ny antoko mpanohitra, sady tsy nanolotra kandida ho fidiana ho filohan'ny Antenimiera no tsy nanao vatofotsy fa nifidy ny vondrona parlemantera mifanandrina aminy.

Fahatapahan-jiro sy fahatapahan-drano : hiverina amin’ny laoniny tsikelikely

0
Efa tafaverina amin’ny laoniny ny famatsiana ara-tsolika ny toby mpamokatra herinaratra any Antalaha. Nilaza ny avy eo anivon’ny Jirama fa efa nisy ny fifampiresahana ary efa tonga ny solika. Nanome fanazavana ihany koa ny tomponandraikitra ny amin’ny fahatapahan-jiro sy fahatapahan-drano amin’ny faritra maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Olana ara-teknika no anton’izany raha ny fanazavana.

JIOI 2019 : nahazo vatsin-dalana ny ekipa Basket Ball sy Handisport

0
Tafiditra ao anatin’ny fiomanana amin’ny lalaon’ny Nosy hatao any Maorisy, nanome vatsin-dalana ho an’ireo ekipa Malagasy taranja basket-ball lahy sy vavy sy ireo ekipa avy ao amin’ny handisport hiatrika ny lalaon’ny nosy  atsy Maorisy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa . Tohanana hatramin’ny farany raha ny fanazavana ny ekipam-pirenena .

RN 44 : nivoaka omaly ny « appel d’offre » amin’ny fanamboarana ny lalana

0
Navoaky ny ministeran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy omaly ny "Appel d'offre" hanamboarana ny RN 44, mampitohy an'i Moramanga sy Ambatondrazaka. Hatomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ary ho vitaina ao anaty fotoana fohy noho ny fitarainan'ireo mponina sy ny mpitatitra.