samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 23 juillet 2019

MMM Betsiboka : tontosa ny sabotsy lasa teo ny fihaonambem-paritra.

0
Naharitra 2 andro ny fihaonambem-paritry ny mpikambana ao amin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga tao amin'ny faritra Betsiboka, distrikan'i Maevatanàna. Fihaonana natao hanomanana ny fifidianana ben'ny tanàna syny mpanolotsain'ny Kaominina.

Lalaon’ny Nosy ao Maurice : 20 ny medaly volamena azontsika hatreto

0
Eo amin'ny laharana fahatelo amin'ny Nosy nahazo medaly volamena betsaka indrindra i Madagasikara hatreto amin'izao jeux des Iles izao tontosaina ao Maurice izao, raha ny isa ofisialy nivoaka tamin'ny 6ora hariva teo, ora eto an-toerana. 20 ny medaly volamena azontsika hatreto, 16 ny medaly volafotsy ary 6 ny medaly alimo. Arahintsika ato anatin'ity fanadihadiana izay notontosain'i Marijaona Rantini izay any amin'ny Nosy Maurice amin'izao fotoana izao ny fintin'ireo lalao samihafa nandraisan'i Madagasikara anjara.

Lalana Besarety : manomboka androany ny fanamboarana.

0
Manomboka androany ary haharitra 3 volana ny fanamboarana sy ny fanatsarana ny lalana eo Besarety. Antony mahaela ny fanamboarana raha ny fanazavana ny tsy maintsy hanavaozana tanteraka ny Dalle sy ny lakan-drano mampitaraina ireo mpampiasa lalana.

Tobin-tsolika – Ankadindramamy : vola 70 tapitrisa Ariary lasan’ny jiolahy

0
Notafihan'ny jiolahy mirongo basy ny maraina teo ny tombin-tsolika iay teny Ankadindramamy. Vola mitentina 70 tapitrisa Ariary no lasan'ny jiolahy tamin'izany. Eo am-panaovana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny mpitandron'ny filaminana.