samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 29 juillet 2019

Edito du 29 juillet 2019

0
19 no najanona amin’ny toerany, 2 naverina, 1 nosoloina… Io ny governemanta azo ambara ho vaovao satria nametra-pialana tarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian. Mitohy ny asa, ny asa no ifampitsarana. Tsy maintsy tanteraka ny vina sy veliranon’ny Filohampirenena RAJOELINA Andry.

FEC : misitraka avy hatrany 43,4 tapitrisa dolara i Madagasikara

0
Nankatoavin'ny Filan-kevim-pitantanan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenenena omaly ny famaranana ny fanadihadiana faha-dimin'ny fandaharan’asa « Facilité Elargie de Crédit » na FEC ho an'i Madagasikara. Misitraka avy hatrany famatsiambola mitentina 43,4 tapitrisa dolara i Madagasikara.

MAHTP : hatsaraina ny fomba fiasa amin’ny fanamboaran-dàlana

0
Asan'ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny MAHTP avokoa ireo fanamboaran-dalana mandeha eto Antananarivo amin'izao fotoana. Hisy fanatsarana ny fomba fiasa eo ihany koa ny fandinihana ny Fond d'Entretien Routier ho lasa FR. Ankilany efa maro ihany koa amin'izao fotoana izao ny asa fanamboara efa miainga any amin'ny faritra.

MENETP : nofaranana androany ny fifaninanana « Education tour »

0
Nofaranana tamin'ny fomba ofisialy androany teny Anosy ny "Education tour" karakaraian'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenana , fampianarana teknika sy fanofanana araka asa. Tanjona lehibe tao anatin'ny fifaninana ny hamporisihana ireo mpianatra avy eny anivon'ny CEG sy Lycée mba hanaraka sy hankafy ny taranja siantifika