samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 juillet 2019

Barea Ambiance

0
Ho arahintsika izao ny ambiance teny an-dalam-be nanerana ny faritra maro teto Antananarivo alina, taorian'ny nandavon'i Madagasikara an'i Nigeria tamin'ny isa 2-0 ka nametraka ny barea ho eo amin'ny laharana voalohany ao amin'ny vondrona B sy nahatafita azy ho amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana amin’ity CAN 2019 ity. Araho ary ny sary tsy an-kiteny.

Asa vitan’ny CNFPPSH : nahafa-po ny BAD

0
Nahafa-po ny BAD na ny Banky Afrikanina ho amin’ny fampandrosoana ny asa vitan'ny Centre National de Formation Professionnelle des Personnes en Situation de Handicap eny Ampandrianomby. Hitohy ary hihamafy vokatr'izany ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta ho fanampiana ireo olona manana fahasembanana eto Madagasikara.

Fanamboarana fahitalavitra : mandeha ny tsena amin’izao

0
Ao anatin'ny fiadiana ny CAN 2019 isika izao, manohana ny ekipam-pirenena sy manaraka ireo lalao amin'ny fahitalavitra ny ankamaroan’ny Malagasy. Maro ireo olona mampamboatra fahitalavitra amin’izao fotoan’ny CAN izao.

Ady amin’ny « Kere » : notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny « Pipeline » voalohany.

0
Ho fiadiana amin'ny "Kere" sy ny tsy fisian'ny rano fisotro madio any antsimon'ny Nosy, notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny "Pipeline" voalohany mirefy 176 Km mamatsy rano fisotro madio an'ireo mponina ao Ampotaka, Tsihombe ary Faux Cap. Mbola hisy ny "Pipeline" faharoa sy fahatelo izay efa eo an-dalam-panamboarana amin'izao fotoana.

Fivoriana faharoa ny FAD : ho tontosaina ny 01 hatramin’ny faha 03 ny volana Jolay.

0
Ho tontosaina rahampitso voalohan'ny volana Jolay hatramin'ny faha 3 ny volana jolay ho avy izao eto Madagasikara ny fivoriana faharoa ny FAD na ny Fonds Africain de Développement. Nigadona teny amin'ny seranam-piaramadinina io tolakandro io ny filohan'ny vondrona ao amin'ny BAD sy ireo delegasiona niaraka taminy.

Kianja Barsa 67ha Avaratra Atsinanana : bodoina orinasa iray

0
Bodoina orinasa iray ny Kianja Barsa 67ha Avaratra Atsinanana. Efa taona maro anefa no nilalaovan'ny ankizy sy tanora teny an-toerana ary nohavaozin'ny mponina sy ny malalan-tanana io kianja io raha ny fanadihadiana natao. Manao antso avo ny mba hijerena azy ireo araka izany ireo mponina.

Ady amin’ny « Kere » : notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny « Pipeline » voalohany.

0
Ho fiadiana amin'ny "Kere" sy ny tsy fisian'ny rano fisotro madio any antsimon'ny Nosy, notokanana tamin'ny fomba ofisialy omaly ny "Pipeline" voalohany mirefy 176 Km mamatsy rano fisotro madio an'ireo mponina ao Ampotaka, Tsihombe ary Faux Cap. Mbola hisy ny "Pipeline" faharoa sy fahatelo izay efa eo an-dalam-panamboarana amin'izao fotoana.

Ady amin’ny kolikoly : hatsangana ny » agence de recouvrement des avoirs illicites »

0
Ho fanamafisana ny ady amin'ny kolikoly, ny famotsiam-bola ary ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana eto Madagasikara, hatsangana ny agence des recouvrements des avoirs illicites. Hita taratra tamin'ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fahavononan'ny fitondram-panjakana hiady amin'ny kolikoly hoy nyBianco, ny Samifin ary ny CSI io hariva io.