samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 19 juillet 2019

Andilamena : mangataka fanadihadiana lalina avy amin’ny mpitondra fanjakana

0
Mbola tsy milamina ary miteraka olana hatramin'izao ny kolikoly sy ny tsy fandraisana andraikitra nataon'ny fitondrana teo aloha amin'ny faritra sasany ka anaovan'ireo tomponandrikitra antso avo amin'ny mpitondra fanjakana. Vahaolana ao anatin'ny fotoana fohy no ilaina hahafahana mametraka ny filaminana sy ny fampandrosoana.

Barea : ambony ny herjika hiatrehana ny lalaon’ny nosy

0
Vonona ny hiatrika ny lalaon’ny nosy tanterahana any Maurice ny BAREAN’i MADAGASIKARA. Ambony ny herjika hahazon’ny ekipampirenena malagasy vokatra tsara hoy ny mpanazatra. Nitsodrano sy nanolotra ny vatsin-dalana ho azy ireo androany minisitra mpiahy ny taranja baolina kitra.

Antenimierampirenena : tafatsangana ny birao maharitra

0
Tafatsangana omaly Alarobia alina ny birao maharitry ny Antenimierampirenena izay hiara- hiasa amin'ny filohan'ny antenimierampirenena vaovao. Isan' izany ny filoha lefitra, ny kestiora ary ny mpampakateny. Ho tontosaina amin' ny zoma izao kosa ny fifidianana ireo vaomera maharitra.

Filohan’ny Antenimierampirenena : tontosa androany ny famindram-pahefana

0
Tontosa androany ny famindram-pahefana teo amin'ny filohan'ny Antenimierampirenena vaovao sy ny teo aloha. Nohamafisin'ny filoha vaovao RAZANAMAHASOA Chistine fa hampanjakaina mandritry ny fotoam- pitantanany ny mangarahara, antoky ny fampandrosoana.