samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 juillet 2019

Faritra Atsimo : novatsiana rano

0
Mipaika mivantana amin'ny sosialim-bahoaka any amin'ny faritra atsimo, ny fanatsarana sy fanitarana toby lehibe fisontoman-drano , any amin'ny distrika roa, Tsihombe sy Beloha. Mponina 40 000 no voavatsy rano tamin'iny tetikasa tanterahan'ny fitondrampanjakana iarahana amin'ny unicef, ary ireo mpamatsy vola samihafa iny. Hitohy hatrany kosa ny fanitarana ny hanatanterahana ny tetikasa.

“Chocolat” Malagasy : hohatsaraina ny kalitao sy ny vokatra

0
Ny fanatsarana ny kalitao hatrany no ahafahana mampiroborobo ny « chocolat » malagasy eo amin’ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena. Vonona ny hifanohana amin’izany ny minisiteran’ny indostria, ny varotra sy ny asa tanana. Namafisiy ihany koa ny fisian’ny aro faninana hiarovana ny vokatra malagasy manoloana ny fitobahan’ny entana vahiny.

Brigade Féminine de Proximité : notolorana fitaovana sy homena fiofanana.

0
Notolorana fitaovana hahafahana manatanteraka ny asa ary nomena fiofanana ireo mpikambana ao anatin'ny Brigade féminine de Proximité ao Tsaralalàna. Na izany aza, Apinga hahafahana misoroka sy miady amin'ny herisetra ny fifanomezan-tanana avy amin'ny tsirairay hoy ny vadin'ny Filoha, Mialy RAJOELINA amin'ny maha Masoivohon'ny ady amin'ny herisetra miankina amin'ny saranga azy.

Fifidianana Solombavambahoaka : azon’ny IRD ny maro an’isa

0
Ny solombavambahoaka IRD na Isika Rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina no maro an'isa eny anivon'ny Antenimierampirenena araky ny voka-pifidianana ofisialy navoakan'ny HCC. Ny eny anivon'ny fitsarana kosa no manapan-kevitra mikasika ireo solombavambahoaka lany manana raharaha eny anivon'ny fitsarana. Etsy ankilany, tsy nampiova ny voka-pifidianana ny fanafoanana vato samihafa nisy.