samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 juillet 2019

BAREA : notolorana mari-boninahitra sy tambin-karama

0
Notolorana mari-boninahitra "chevalier de l'Ordre National" ny ekipan'ny Barea an'i Madagasikara miaraka amin'ny mpanazatra Nicolas Dupuis, teny amin'ny lapam- panjakana Iavoloha androany. Teo ihany koa ny tambin- karama mitentina 250 000 dolara ho an'ny ekipam- pirenena. Ireo no natao ho fankasitrahan'ny fitondram- panjakana ny nitondran' izy ireo avo ny fanevam- pirenena.

Fifidianana ben’ny tanàna : andrasana ny 28 jolay ny didim-pitondrana miantso ny mpifidy

0
Ny faha-28 ny volana jolay ho avy izao farafahatarany no tokony hivoaka ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato raha tazonina ny faha-28 oktobra natolotry ny CENI hanatanterahana ny fifidianana. Hitarika fahabangan-toerana amin’ny fitantanana ny kaominina manerana ny nosy ny fitarazohan’ny fanomanana raha tsy misy fandraisan’andraikitra.

Lalaon’ny Nosy andiany faha-10 : vonona ny barea an’i Madagasikara

0
Vonona ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin'ny taranja baolina kitra amin'ny fihatrehana ny lalaon'ny nosy andiany faha-10 tanterahana ao amin'ny nosy Maurice. Ny fanamafisana ny teknika famonom-baolina no atao amin'izao andro vitsy mialohan'ny fotoana izao hoy ny mpanazatra.

Haiady – fiadiana ho tompondakan’i Afrika : nitondra medaly nody ny solotenan’ny Malagasy

0
Nahafa-po ny fifaninana nandraisan'ny Malagasy anjara tamin'ny fiadiana ho tompondakan'i Afrika teo amin'ny taranja haiady notanterahina tany Gaboronne, Botsowana. Nitondra medaly nody ny solotenan'ny Malagasy teo amin'ny Kata junior, "Combat junior" latsaky ny 55 Kg.

Ankadindravola : herinandro izay no tapaka ny paompy

0
Herinandro izay no tapaka ny paompy eny Ankadindravola sy ny manodidina. Mitaraina vokatr'izany ireo mponina eny an-toerana ary manao antso avo amin'ny tomponandraikitra hijery vahaolana maharitra manoloana izany.