vendredi 03 mai 2024
Accueil 2019 juillet

Archives mensuelles: juillet 2019

Harena azo amin’ny tsy rariny : azo giazana amin’izay

0
Aorian’ny famoahan’ny Filohan’ny Repoblika ny lalàna ahafahana manageja ireo harena azo amin’ny tsy rariny dia azo atao tsara manomboka izao ny manageja ireo heverina ho harena azo amin’ny tsy rariny. Izany no natao dia ho fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ho fampiarana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara araka ny fanazavana mpahay lalàna iray nanaovana fanadihadiana.

Antananarivo sy Toamasina : an-dalana ny drafi-panajariana sy fampandrosoana

0
Hitondra vokatsoa ho an’i Madagasikara indrindra ho an’i Toamasina izay voasokajy ho havokavoky ny toekaren’i Madagasikara ny famoahana ny drafi-panajariana sy drafi-pampandrosoana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Androany no notontosaina tetsy Anosy ny fivoriana faha 4 amin’ny famolavolana izany.

Haino vaky jery eto Madagasikara : maro no nisokatra tsy nanaraka ny lalàna

0
Maro amin'ireo haino aman-jery sy gazety eto Madagasikara no nisokatra tsy ara-dalàna raha ny nambaran'ny tomponandraikitra eo anivon'ny minisiteran'ny kolontsaina sy ny serasera. Tato anatin'ny 5 taona farany no tena nahitana tranga maro, ka andraisana fepetra manomboka izao.

MMM Betsiboka : tontosa ny sabotsy lasa teo ny fihaonambem-paritra.

0
Naharitra 2 andro ny fihaonambem-paritry ny mpikambana ao amin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga tao amin'ny faritra Betsiboka, distrikan'i Maevatanàna. Fihaonana natao hanomanana ny fifidianana ben'ny tanàna syny mpanolotsain'ny Kaominina.

Lalaon’ny Nosy ao Maurice : 20 ny medaly volamena azontsika hatreto

0
Eo amin'ny laharana fahatelo amin'ny Nosy nahazo medaly volamena betsaka indrindra i Madagasikara hatreto amin'izao jeux des Iles izao tontosaina ao Maurice izao, raha ny isa ofisialy nivoaka tamin'ny 6ora hariva teo, ora eto an-toerana. 20 ny medaly volamena azontsika hatreto, 16 ny medaly volafotsy ary 6 ny medaly alimo. Arahintsika ato anatin'ity fanadihadiana izay notontosain'i Marijaona Rantini izay any amin'ny Nosy Maurice amin'izao fotoana izao ny fintin'ireo lalao samihafa nandraisan'i Madagasikara anjara.

Lalana Besarety : manomboka androany ny fanamboarana.

0
Manomboka androany ary haharitra 3 volana ny fanamboarana sy ny fanatsarana ny lalana eo Besarety. Antony mahaela ny fanamboarana raha ny fanazavana ny tsy maintsy hanavaozana tanteraka ny Dalle sy ny lakan-drano mampitaraina ireo mpampiasa lalana.

Tobin-tsolika – Ankadindramamy : vola 70 tapitrisa Ariary lasan’ny jiolahy

0
Notafihan'ny jiolahy mirongo basy ny maraina teo ny tombin-tsolika iay teny Ankadindramamy. Vola mitentina 70 tapitrisa Ariary no lasan'ny jiolahy tamin'izany. Eo am-panaovana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny mpitandron'ny filaminana.

Lalaon’ny Nosy any Maorisy : medaly 9 no azon’I Madagasikara hatreto

0
Androany tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, eo amin’ny laharana faha 4 no no laharana vonjimaika misy an’I Madagasikara ary medaly 9 no azontsika. Taterina aminao ato anatin’ny fanadihadiana ny antsipirihin’izay.

Omby : manana ny toerany eto amin’ny fiarahamonina malagasy

0
Eo amin’ny lafiny kolontsaina, manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiarahamonina malagasy ny omby. Saika fitaovana entina anehoana ny fisehon-javatra rehetra ny omby eto Madagasikara raha ny fanazavana.

Toerana banga eny amin’ny Antenimierampirenena : miandry ny fanapahan- kevitry ny HCC

0
Miandry ny fanapahan- kevitry ny eny anivon'ny HCC ny mahakasika ireo toeran'ny Solombavambahoaka banga eny amin'ny Antenimierampirenena hoy ny filohan' ny Antenimierampirenena. Ity farany izay hitondra ny fifampiresahana momba ity raharaha ity eny amin'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana raha ny fanazavana azo.