mercredi 01 mai 2024
Accueil 2019 juillet

Archives mensuelles: juillet 2019

Governemanta vaovao : fanohizana ny asa

0
Governemanta hanohy ny asa. Governemanta hanatanteraka ny velirano sy ny vinan’ny Filoham-pirenena, izay no fahitan’ny mpanara-baovao ny fanendrena ireo mpikambana handrafitra ny governemanta. Minisitra iray no nisolo, Solombavambahoaka roa no naverina tamin’ny toerany.

Mpivarotra eny amin’ny tsena Anosibe : tsy manaiky ny tsindry hazolena ataon’ny kaominina

0
Tsy hanaiky hatramin'ny farany ny tsindry hazolena ataon'ny kaominina Antananarivo renivohitra manoloana ny fanorenana tsena ao amin'ny parking tsena Anosibe ireo mpivarotra. Fanorenana izay natao ho an'ny tombotsoan'ny olom- bitsy raha ny fanazavana azo.

Fivoriana momban’ny Tetikasa TATOM: nifarana androany

0
Nifarana androany tetsy Anosy ny fivoriana nentina namolavola ny drafi-panajariana an’Antananarivo sy Toamasina sy ny drafi-pampandrosoana ny lalana Antananarivo Toamasina. Ny tetikasa no mifarana fa ny asa vao manomboka, raha ny fanazavan’ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny asa vaventy ary ny toeram-ponenana. Asa izay mifanaraka tanteraka amin’ny vina napetraky ny Filohan’ny repoblika.

Fiara ahitana « Plaque châssis » hosoka : hogiazina avy hatrany

0
Hotsirihana manokana ny fiara ahitana takela-pamantrarana manokana na « plaque chassis » hosoka manombok’izao. Hiafara amin’ny figiazana ny fiara ny fepetra raisiny hoy foibe fitsarana fiarakodia. Tanjona ny hamongorana ny fifamezivezen’ireo fiara halatra sy tsy manara-dalàna eto Madagasikara.

Antenimierampirenena : nifarana androany ny fivoriana manokana

0
Nifarana androany ny fivoriana manokan'ireo solombavambahoaka teny anivon'ny Antenimierampirenena. Nitsangana nandritra io fivoriana io ny birao sy ny vaomiera maharitra.

Mpikambana eo anivon’ny governemanta : voatendry izao alina izao

0
Nivoaka izao alina izao ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny governemanta tarihin'ny Praiminisitra Ntsay Chrisitian. Iray amin'ireo minisitra tamin'ny governemanta teo aloha no tsy tafaverina tamin'ny toerany. Niverina amin'ny maha minisitra azy, ireo solombavambahoaka 2.

Fanamboaran-dalana : misy fahatapahan-dalana noho izany amin’ny toerana maro

0
Mitohy hatrany ny fanamboaran-dalana ataon'ny fitondram-panjakana eto Antananarivo. Misy manoloana izany ny fahatapahan'ny lalana amin'ny toerana maro. Ny mikasika izay indray no entina aminao ato anatin'ity fanadihadiana ity.

Madagascar – Kenya : mihatsara ny fifanakalozana ara-barotra

0
Fifanaraham-piaraha miasa 2 lehibe no hisokatra ho an’i Madagasikara taorian’ny fitsidihan’ny fikambanan’ny tranoben’ny varotra sy ny Indostria tany Kenya. Hiompana betsaka amin’ny fanatsarana ny sehatry ny fifanakalozana arabarotra izany indrindra ny lafiny fanondranana entana.

Fandraisana ny Pape François : 95%n’ny asa no efa vita

0
Nijery ifotony ny fizotry ny asa eny Soamandrakizay Androhibe, toerana izay hanatanterahan'i Papa François ny lamesa lehibe amin'ny fahatongavanay hitsidika an'i Madagasikara ny filohan'ny repoblika RAJOELINA Andry sy ireo ray aman-dreny mpitarika ny ECAR, tamin'izany no nanamafisana fa ho vitaina mialohan'ny 20 Aogositra izao ny

Antenimierampirenena : voafidy ireo vaomiera maharitra miisa 32

0
Voafidy androany ireo tomponandraikitry ny vaomera maharitra miisa 32 eny anivon'ny Antenimierampirenena. Kandidà tokana avokoa no natolotr' ireo solombavambahoaka izay ahitana ny solotenan' ireo hery velona rehetra eo anivon' ity andrim- panjakana ity. Tahak' izao ny filahatr' izany .