vendredi 03 mai 2024

Archives mensuelles: mai 2018

Fitondrana HVM : manitsakitsaka ny zo fototry ny mpiasam-panjakana

0
Voahitsakitsaka ny zo fototry ny mpiasam-panjakana, izay no nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana sy ny sora-baventy nentin'ireo mpiasam-panjakana nandritra ny diabe niainga teny Mahamasina nihazo ny lapan'ny tanàna Analakely. Ny fialan'ny filohampirenena no vahaolana hoy izy ireo manoloana izany.

Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : miantso ny fandraisan’andraikitra haingan’ny HCC

0
Voahitsakitsaka ny sosialim-bahoaka, manjaka manerana ny nosy ny tsy fandriam-pahalemana ka tokony hametra-pialana ny filohampirenena hoy ny solombavambahoakan'i Bealanana voafidy tamin'ny antoko Malagasy Miara Miainga. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny HCC ireo solombavambahoaka ho an'ny fanovana hamaly ny requête napetrak'izy ireo ny 25 aprily teo.

Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : tsy nanatrika ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana

0
Niara-nankalaza ny fetin'ny asa teo amin'ny lapan'ny tanàna Analakely niaraka tamin'ny sendikan'ny mpiasa ny solombavambahoaka. Tsy nanatrika ny fisokafan'ny fivoriana ara-potoana teny amin'ny Antenimerampirenena ihany koa ireto solombavambahoaka ho an'ny fiovana ireto.

Sekretera jeneraly – OIF : miantso amin’ny fifanantonana

0
Nankasitraka ny finiavana nasehon'ireo filohan'Antoko politika nihaona taminy ny andron'ny omaly ny sekretera jeneralin'ny OIF. Nambarany fa vonona hitady vahaolana hamahana izao disadisa politika izao ireo antoko lehibe eto amin'ny firenena.  

FFKM : nampiantso ireo solombavambahoaka.

0
Araka ny tenin'ny teo anivon'ny FFKM nandritra ny fotom-pivavahana, nampiantso ireo solombavahoaka izy ireo omaly ifampidinika manoloana ny olana misy eto amin'ny firenena. Tsy tonga namaly izany anefa ireo solombavambahoaka 73 hoan'ny fanovana. Solombavambahoaka vitsy avy amin'ny fitondrana kosa no tonga namaly ny antso.    

Fitakiana fialan’ny filohampirenena: tsy hihemotra na eo aza ny fiziriziany

0
Nandiso ny filazan'ny filohampirenena tao amin'ny onjampeo vahiny ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana, indrindra ireo avy any amin'ny faritra raha nanotaniana mikasika izany. Na eo aza ny fiziriziriana, tsy hihemotra amin'ity fitakiana fialana ity izy ireo raha ny fanazavana.  

Hetsik’ireo solombavambahoaka : naka ireo mpiasa teny amin’ny biraom-panjakana

0
Nihamafy hatrany ny hetsik'ireo solombavambahoaka 73 hoan'ny fanovana. Nanomboka ny maraina no efa nifampitaona ireo solombavambahoaka sy ny vahoaka naka ireo mpiasa teny anivon'ny ministera maro hanamafisana ny tolona hoan'ny fanovana. Namaly ny antso avokoa ireo mpiasa izay notetezina.