Accueil 2019 janvier

Archives mensuelles: janvier 2019

Tambazotra sosialy : tsy mbola voafehy tanteraka eto amintsika

0
Ny demokrasia sy ny tambazotran-tserasera indray no nitondran’ny agence Capsule sy ny kolotv fanadihadiana tamin’ity indray mitoraka ity. Mampahazo vahana ny demokrasia saingy tsy mbola voafehy tanteraka eto amintsika ny Facebook hoy ny mpandinika fiarahamonina. Fanadihadiana.

Fampiroboroboana ny fandraharahana: mitaky fepetra maro

0
Teboka maro no mila fanavaozana vao afaka mampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara isika, raha ny fanehoankevitr’ireo misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Ity farany izay isan’ny laharam-pahamehana amin’ity fitondrana ity, araka ny kabary nataon’ny filohampirenena Andry Rajoelina, nandritry ny fianianana nataony tamin’ny vahoaka Malagasy. Fanadihadiana.

Lalana arrêt 30 – Vatobe : potika tanteraka ny lalana namboarina vao tsy ela

0
Tsy ampy herintaona izao no nanamboarana ny lalana eo anelanelan’ny arret 30 sy vatobe etsy amin’ny 67ha saingy potika tanteraka izany ankehitriny ary mampitaraina ny vahoaka. Maro ihany koa no miverina an-dalana vao mahatazana ny lavaka be. Ireo tratran’ny tsy maintsy ihany no mizotra iny lalana iny. Ankoatra ny mampiasa lalana, lasibatry ny voka-dratsy ateraky ny faharatsian’ny lalana eto an-drenivohitra ihany koa ireo toeram-pisakafoana manamorona ny arabe.

Andro ratsy : nandravarava ny « bord de la mer » Mahajanga

0
Namela takaitra ara-materialy eny amin'ny bord de la mer any Mahajanga ny andro ratsy izay mandalo any amin'ny morontsirak'i Madagasikara ankehitriny. Manao antso avo amin'ny fanarenana ny simba ny vahoaka any an-toerana.

Fiatoan’ny fampianarana : DREN 5 no voakasik’izany hatreto

0
DREN miisa 5 no voakasiky ny fiaton’ny fampianarana vokatry ny oram-be mikija. Izay raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ny faritra Diana no isany voa mafy amin’izany raha ny fanadihadiana natao.

Fanondranana entana: ambany ny taha ny taona 2018

0
Sarotra amin’ny mpisehatra sy mpandrahara Malagasy no manondrana entana any ivelany eto amintsika. Saika olana ara-taratasy sy lalam-barotra rah any fanadihadiana no sakana. Rah any tarehimarika manoloana io, ambany ny tahan’ny fanondranana entana ny taona 2018 teo.

Fitrandrahana Fasimainty : maty avokoa ny trondro fiveloman’ny mponina

0
Nahitana trondro maty maromaro tao amin'ny Reniranon'Ambavarano ao amin'ny Fokontany Andrakaraka Taolagnaro. Nahitana fasimainty marobe ihany koa. Vao voalohany no nahitana tranga tahaka izao hoy ny solombavambahoaka avy any an-toerana izay manahy mafy ny fahasalaman'ny mponina miaina sy mivelona amin'ny rano.

Fanadinam-panjakana : miroso herinandro avy ny daty

0
Miroso herinandro avy ny daty hanantanterahana ny fanadinam-panjakana ho amin’ity taom-pianarana 2018-2019 ity. Anton’ny fiovana raha ny fanazavan’ireo tomponandraikitra isan’isany ny nisian’ireo datim-panadinana tao anatin’ny fotoanan’ny orana.

Extrait balancé

0
Ny Sekretera Jeneraly lefitry ny fiadidiana ny repoblika taorian’ny nanendrena azy ireo no nanonina ihany koa ny didim-pitondrana manendry ny Praiminisitra Ntsay Christian. Praiminisitra izay nankatoavin’ny solombavambahoaka maro an’isa.

21 Janoary : andro iraisam-pirenena ho an’ny Câlin

0
Ankalazaina androany faha 21 ny volana Janoary ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Calin. Fomba izay tsy mahazatra ny ankamaroan'ny Malagasy saingy efa miha mahazo vahana ary efa fantatry ny be sy ny maro amin'izao fotoana izao.