Accueil 2019 janvier

Archives mensuelles: janvier 2019

Sinto-mahery : ahitana tranga isan’andro eny anivon’ny fokontany maro

0
Fokontany maro eto andrenivohitra no voasokajy ho anatin’ny faritra mena amin’ny firongatry ny sinto-mahery ankehitriny. Ny fampitomboana ny isan'ny mpitandro filaminana no vahaolana mba hampihenana ny asa ratsy raha ny fanazavan'ireo eny anivon'ny fokontany.

Decret

0
Manohy ny asany ny governemanta Ntsay Christian mandrapaha-tafatsangan'ny governemanta vaovao na nankatoavin'ny filohampirenena aza ny fametram-pialany ny 19 janoary teo raha ny fanambarana navoakan'ny sekretera jeneralin'ny fiadidianan'ny repoblika.

Edito

0
Tontosa omaly ny fihanianana nataon’i RAJOELINA Andry filohampirenena faharoa ny repoblika fahaefatr’i Madagasikara. Fihanianana izay nanamarika ny fiatombohan’ny fotoam-piasana izay haharitra 5 taona. Pejy vaovao ho an’ity tantaran’ny madagasikara ity no nosokafana omaly iny.

Fihotsahan’ny tany : olona 11 namoy ny ainy.

0
11 ireo namoy ny ainy vokatry ny fihotahan'ny tany teny Tsimialonjafy sy Ambohipotsy alina. Nidina nijery ifotony praiminisitra Ntsay Chritian sy mpikambana teo amin'ny governemanta.

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana : nanamafy ny fahavononany ny filohampirenena.

0
Nanamafy ny fahavononany hiady amin'ny kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana ny filohampirenena Andry RAJOELINA nandritra ny kabary nataony teny Mahamasina omaly. Ny tsy fahitana taratra ny finiavan'ny mitondra hiady ho an'ny filaminam-bahoaka no nampirongatra ny asan-dahalo sy ny fanafihana mitam-piadiana hatrizay.

Fiarahamonim-pirenena AVG : nohavaozina ny mpikambana

0
Nahitana olom-baovao ny mpikambana eo amin'ny Fiarahamonim-pirenena Alliance Voary Gasy izay nanatanteraka fifidianana tamin'ity androany ity. Ankoatra izay, miantso ny fandraisan'andraikitry ny rehetra ny Fiarahamonim-pirenena AVG ami'ny fiarovana ny harem-pirenena.

Filohampirenena Malagasy  : tontosa androany ny fifamindram-pahefana

0
Andro manan-tantara ho an’i Madagasikara. Androany 18 Janoary 2019, tontosa tao anatin’ny filaminana ny fifamindram-pahefana voalohany tamin'ny Filoham-pirenena 2 lanim-bahoaka. Ny filohampirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filohampirenena vaovao Andry Rajoelina. Araho an-tsary ary ny famintinana izany.

Lanonam-pianianana : misy Filohampirenena miisa 6 ireo vahiny manan-kaja hanatrika izany

0
Filohampirenena miisa 6 ireo vahiny manan-kaja maherin’ny 30 hanatrika ny fiaianan’ny filohampirenena vaovao Rajoelina Andry rahampitso etsy amin’ny kianjaben’I Mahamasina, araka ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny mpikarakara. Voninahitra lehibe ho an’ny firenena Malagasy ny sy vahoaka Malagasy tsy vakivolo izany.

Jour J-1 fianianan’ny filoha vaovao : nisy ny famerenana matso nataon’ireo mpitandro ny filaminana

0
Samy misomebiseby ao anatin'ny fanomanana ny fandraisana ny fianianan'ny filohampirenena vaovao avokoa ireo tomponandraikitra voakasika rehetra tamin'ity andro androany ity. Isan'izany ireo mpitandro ny filaminana izay nanao famerenana matso ho amin'ny rahampitso.

Fandriampahalemana : ho hentitra ny fanaraha-maso eny Mahamasina

0
Ho hentitra ny fanaraha- maso mandritra ireo lanonam-panjakana izay hatao eto andrenivohitra amin'ny faran'ny herinandro izao. Mpitandro ny filaminana hatrany amin’ny 1 300 no hahetsika ato anatin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra indrindra ny eny amin'ny manodidina an'i Mahamasina.