Accueil 2019 janvier

Archives mensuelles: janvier 2019

Presse Internationale : manameloka ny fanasoketana ny mpanao gazety manao ny asany

0
Manoloana ny toe-draharaha nitranga teny amin'ny Parvis Analakely omaly, izay nanasoketan'ireo mpanao fihetsiketsehana teny an-toerana ny mpanao gazety izay manao ny asany. Namoaka fanambarana manameloka izany ny Presse Internationale eto Madagasikara.

RAKOTOVAO Rivo sy RAVALOMANANA Marc : misy ifamatorana ve ?

0
Mangina tsy hahenoam-peo ny Filohampirenena mpisolo toerana ankehitriny manoloana ny fiantsiana ny andrimpanjakana mpikarakara fifidianana sy ny fitaomana olona hidina an-dalambe ataon’ny kandidà RAVALOMANANA Marc sy ny mpanohana azy. Midika inona izany fahanginana izany, hoy ny mpanara-baovao ?

Préfet de Police : tsy marina ny filazana fa ny minisitry ny fiarovana no nanome alàlana ny hetsika

0
Tsy marina akory ny filazana fa nanome alalàna ireo mpanao fihetsiketsehana eny amin'ny kianjan'ny 13 Mai ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Fomba fiady ho entina mamerivery ny saim-bahoaka fotsiny ihany izany. Ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta sy ny OMC na ny Organe Mixte de Conception ihany no manana fahefana amin'izany araka ny lalàmpanorenana Malagasy.

Hetsika eny amin’ny Parvis Analakely : manelingelina ny fiainana andavanandron’ny maro

0
Faty antoka ho an'ny mpivarotra, fitaintainana sy fanelingelenana ho an'ny olontsotra. Izay no vokatry ny hetsika tarihin'ireo mpiara-dia amin'ny kandidà Ravalomanana eny amin'ny Parvis Analakely, raha ny fanehon-kevitr'ireo olompirenena teny an-toerana androany.

Firongatry ny fanorenena tsy ara-dàlana : tsy manome fanazavana ny kaominana

0
Mbola tsy nahitana fandraisana andraikitra ny mikasika ireo fanorenena tsy ara-dalàna notaterina teto amin’ny fampahalalam-baovao. Tsy mahatapaka ahitra amin’ny fandraisana fepetra eny ifotony ny boriborintany raha ny fanazavana. Fandroahana ankilany no nasetrin’ny teo anivon’ny kaominina ny mpanao gazety.

Tsenan’ny Mahamasina : tsy mandeha ny varotra

0
Nangina tsy toy ny mahazatra ny tsena teny Mahamasina androany. Noho ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena sy ny tsy fahampian'ny fahefa-mividin'ny olona no anton'izany, raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana. Fanadihadiana : Fitahiantsoa Miora

HCC : nametraka fitoriana miisa 73 ny mpanohana an’i RAJOELINA Andry

0
73 amin’ireo fitoriana miisa 305 voaray teny Ambohidahy tamin’ny alatsinainy faha-31 desambra lasa teo no avy amin’ny mpanohana ny kandidà RAJOELINA Andry. Raha ny loharanom-baovao, ny fividianana olona hijoro ho vavolombelona mpandainga tamin’ny faritra maro, ny fanaovana tery sy fanimbazimbana rafitra mpikarakara fifidianana mialohan’ny famoahan-bokatra ofisialy ny santionany amin’ireo fitoriana ireo. Fanadihadiana : RAHARISON Andry

HCC : atao tsara ambina

0
Mpitandro filaminana maro no ahetsika andro aman'alina miaro ny fitsarana avo momban'ny lalàmpanorenana noho’ny fisian’ny fikasana handoro sy hamotika azy.

Mbola Rajaonah : mitarazoka ny fanadihadiana

0
Mijanona tsiambaratelo tanteraka hatreto ny tohin’ny raharaha Mbola Rajaonah. Tsy fantatra mazava ihany koa ny tohin’ny fampiantsoana samihafa nataon’ny Bianco azy. Mitarazoka ny fanadihadiana. Fanadihadiana.

Faran’ny taona 2018 : nitombo ireo naratran’ny lozam-pifamoivoizana sy ny tsy fitandremana

0
Ny tsy fitandremana na ny accident à responsabilité civil sy ny lozam-pifamoivoizana. Izay no isany nanamarika ny faran’ny taona 2018 raha ny antontanisa azo teny amin’ny HJRA androany. Nitombo izany raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa raha ny fanazavana azo androany.