vendredi 03 mai 2024
Accueil 2019 juillet

Archives mensuelles: juillet 2019

Governemanta : ny tomban’ezaka no hitsarana azy, hoy ny Filoha

0
Taorian’ny namoahan’ny HCC ny vokatra ofisialin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany iny dia nanambara ny Filohan’ny Repoblika fa ny tomban’ezaka ihany no hitsarana ny asa vitan’ny governemanta.

Tsena Andravoahangy : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny kaominina sy ireo mpivarotra

0
Mihenjan- droa ny tady eo amin' ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ireo mpivarotra eny amin'ny tsena Andravoahangy. Androany, nifandrimbonan' ireo mpivarotra ny tomponandraikitra avy ao amin'ny kaominina izay tonga saika hanala ireo mpivarotra mba hitohizan'ny asa fanorenena atao ao anatin' io tsena io izay adikan' ireo mpivarotra ho fanaparam- pahefana.

Barean’i Madagasikara : hanala vela amin’ny Léopard RD Congo

0
Tontolon'ny fanatanjahantena taranja, ny Can 2019 tanterahana any Egypte. Voaporofo tamin'ireo lalao telo efa vita ny fahaiza-manaon'ny mpanazatra sy ny mpilalaon'ny Barea, tsy tokony hohamaivanina anefa ankilan'izay ny Léopard an'i RD Congo raha ny nambaran'ny mpanazatra ekipa nasionaly teo aloha androany.

Fakan- kevitra momba ny fanitsiana ny lalànan’ny serasera : nitohy tao Antsirabe

0
Tao Antsirabe no nanohizana ny fakan- kevitra isam- paritany momba ny fanitsiana ny lalànan'ny serasera eto Madagasikara omaly. Ny hevitry ny mpanao gazety no nohenoina ho entina manatsara sy mandrafitra ny lalanan'ny serasera izay hifehy azy ireo.

CEPE sy BEPC : mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana

0
Tontolon'ny fampianarana, ny fahatsaran'ny voka-panadinana CEPE sy BEPC tamin'ny taona lasa no nahatonga ny fihenan'ny isan'ny mpiadina amin'ireo fanadinam-panjakana ireo hoy ny tomponandraikitra avy amin'ny minisiteran'ny fanbeazam-pirenena. Mizotra araka ny tokony ho izy ankilan'izay ny fanomanana ireo fanadinana ireo.

Filohan’ny repoblika sy ny filohan’ny BAD : nitsidika an’ i Tsaramasay sy Ankorondrano Andrefana

0
Ny maraina teo, nitsidika ny fanatsarana ny fokontany Tsaramasay sy Ankorondrano Andrefana ny filohan'ny repoblika sy ny sy ny filohan'ny BAD. Nambarany tamin'ny fomba ofisialy ihany koa fa ho entina any Egypte ireo "Zazakanto".

Faritra Atsimo : novatsiana rano

0
Mipaika mivantana amin'ny sosialim-bahoaka any amin'ny faritra atsimo, ny fanatsarana sy fanitarana toby lehibe fisontoman-drano , any amin'ny distrika roa, Tsihombe sy Beloha. Mponina 40 000 no voavatsy rano tamin'iny tetikasa tanterahan'ny fitondrampanjakana iarahana amin'ny unicef, ary ireo mpamatsy vola samihafa iny. Hitohy hatrany kosa ny fanitarana ny hanatanterahana ny tetikasa.

“Chocolat” Malagasy : hohatsaraina ny kalitao sy ny vokatra

0
Ny fanatsarana ny kalitao hatrany no ahafahana mampiroborobo ny « chocolat » malagasy eo amin’ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena. Vonona ny hifanohana amin’izany ny minisiteran’ny indostria, ny varotra sy ny asa tanana. Namafisiy ihany koa ny fisian’ny aro faninana hiarovana ny vokatra malagasy manoloana ny fitobahan’ny entana vahiny.

Brigade Féminine de Proximité : notolorana fitaovana sy homena fiofanana.

0
Notolorana fitaovana hahafahana manatanteraka ny asa ary nomena fiofanana ireo mpikambana ao anatin'ny Brigade féminine de Proximité ao Tsaralalàna. Na izany aza, Apinga hahafahana misoroka sy miady amin'ny herisetra ny fifanomezan-tanana avy amin'ny tsirairay hoy ny vadin'ny Filoha, Mialy RAJOELINA amin'ny maha Masoivohon'ny ady amin'ny herisetra miankina amin'ny saranga azy.

Fifidianana Solombavambahoaka : azon’ny IRD ny maro an’isa

0
Ny solombavambahoaka IRD na Isika Rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina no maro an'isa eny anivon'ny Antenimierampirenena araky ny voka-pifidianana ofisialy navoakan'ny HCC. Ny eny anivon'ny fitsarana kosa no manapan-kevitra mikasika ireo solombavambahoaka lany manana raharaha eny anivon'ny fitsarana. Etsy ankilany, tsy nampiova ny voka-pifidianana ny fanafoanana vato samihafa nisy.