vendredi 17 mai 2024
Accueil 2019 juillet

Archives mensuelles: juillet 2019

BAII : tombony ho an’i Madagasikara

0
Azo ampifanarahana amin'ny fanatanterahana ny vina samihafa entina mampandroso ny firenena ny nidiran'i Madagasikara tamin'ny AIIB na ny Banky Aziatika ho an’ny famatsiam-bola ny fananganana fotodrafitrasa, hoy ny mpahay toekarena. Hotanterahana ny faha-12 sy 13 jolay ho avy izao any Luxembourg ny fihaonana isan-taonan'ny AIIB, ary isany mandray anjara amin'izany i Madagasikara.

Fitsinjaram-pahefana sy fanapariaham-pahefana : hapetraka ny politika vaovao

0
Hohatsaraina hifanaraka amin'ny vina napetraky ny filohan'ny repoblika ao anatinn'y Politika ankapoben'ny fanjakana ny lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanapariaham-pahefana eto Madagasikara. Tanjona ny hisian'ny fampandrosoana haingana sy maharitra eto Madagasikara.

BIANCO : hivoaka tsy ho ela ny fanambaram-pananana « en ligne ».

0
Hohamoraina ary hivoaka tsy ho ela ny fanambaram-pananana "en ligne" hoy ny eo anivon'ny BIANCO taorian'ny fanambaram-pananana nataon'ny teo anivon'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra omaly. Ny fanambaram-pananana izay voafaritry ny lalàna momba ny ady amin'ny kolikoly ary mahavoasazy ny tsy fanatanterahana azy.

Fanorenana tsy ara-dalàna : nivoaka ny fanapahan-kevitry ny « Conseil d’Etat »

0
Nolavin'ny Conseil d'Etat androany ny fangatahana fanafoanana didimpanjakana, manoloana ny fanidiana ny fanorenana tsy ara-dalàna eny Alarobia. Fanorenana amin'ny tany izay tsy an'ity farany akory araka ny antotan-taratasy farany navoaky ny sampandraharahan'ny fananan-tany.

CAN 2019 : ny Aigles de Carthage no hifanandrina amin’ny Barea

0
Ny " Aigles de Carthage"-n'ny Tunisie no hifanandrina amin'ny barea an'i Madagasikara ny Alakamisy izao eo amin'ny dingan'ny ampahefa-dalana amin'ny Can 2019. Mafy ny mpifanandrina saingy azo resena tsara raha ny fahitan'ny teknisianin'ny baolina kitra.

Fahavitan-tena ara-bary : tokony ho tratra amin’ny taona ho avy.

0
Tokony ho tratra amin'ny taona ho avy ny fahavitan-tena ara-bary eto Madagasikara hoy ny minisitra tomponandraikitra. Efa hita ny fomba hanapariahana ny teknika hahafahana mampiakatra ny vokatra raha ny fanazavana.

Fanadinam-panjakana : milamina ny fanomanana rehetra.

0
Milamina avokoa ny fanomanana sy ny fikarakarana rehetra hahafahan'ny mpianatra miatrika ny fanadinam-panjakana ho an'ny taom-pianarana 2018 - 2019 hoy ny minisitra tomponandriakitra. Ity farany izay nanamafy hatrany fa mila miomana hiatrika am-pitoniana ny fanadinana ireo mpianatra sy mpampianatra. Ho an'ny CAE sy ny CAP/EP ohatra, vita androany ny fanomanana ny Laza adina.

Antenimierampirenena : hatomboka amin’ny fitsipika anatiny ny fivoriana

0
Hiompana amin’ny fandrafetana ny fitsipika anatiny ny andro volaohan’ny fivoriana manokana anivon’ny Antenimierampirenana ny Talata izao. Aorian’izay ny fananganana ny birao maharitra sy ny fandaniana ny filohan’ny Antenimierampirenana ka hanana tombony amin’izany ny vondron’Antoko miaraka amin’i Andry RAJOELINA.

Edito du 08-07-2019

0
Alefa BAREA no malaza ankehitriny. Sambany tokoa teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy no nisy fietanam-po iraisan’ny rehetra toy izao ny fanohanana ny ekipam-pirenena. Sambany ihany koa no nandraisan’ny ekipam-pirenena Malagasy anjara amin’ny « phase finale ny CAN » nefa vokatra tsara dia tsara sahady no efa azo. Alefa Madagasikara amin’ny raharaham-pirenena sy ny fampandrosoana ihany koa no tokony hifanotronan’ny rehetra toy izao Alefa Barea izao, dia ho sangany sy faka tahaka aty Afrika i Madagasikara ao anaty fotoana fohy.

Faritra Atsimo : mahavokatra ny tany

0
Na tsy ampy rano aza ny any amin'ny faritra Atsimo, azo atao ny mamboly legioma, araka ny andrana nataon'i Rakotobe Julien, 27 taona, monina ao amin'ny kaominina Nikoly, distrika Tsihombe. Maro amin'ny mponina any an-toerana anefa no tsy mahay ny teknika fambolena amin’ny tany kely rotsak'orana. Olana ihany koa raha ny fanazavana ny tsy fahampian'ny fitaovana. Ny mikasika izay no fanadihadiana entina aminao amin'ity manaraka ity.